<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>13</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah;
 Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika;
 Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.

[V2]
 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah,
 Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany;
 Ary Azy ny tendrombohitra avo.

[V3]
 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy,
 Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
 Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;

[V4]
 Fa Izy no Andriamanitsika;
 Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.
 Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba,

[V5]
 Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra
 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy,
 Sy nizahany toetra Ahy,
 Na dia efa hitany aza ny asako.

[V6]
 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany,
 Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe:
 Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.

[V7]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
<title>Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah TS13</title>
</song>